Voilà 1artiste k j'apprécie énormémen malgré le fait kil soi incompris é considéré kom 1 marginal!!!
Talentueux et sincère ds ses compositions,jvs fé partager 1 de c sons k jador é k jécout en boucle.....
En gros ça parl d'amour kom d'habitude mé la particularité de ce son tient aux paroles.....il parl 2 sa future femme kom étant son ange é il l'assimile à la femme parfaite ki sera pr lui la seule et l'unik!!!!
chek'dis:
ANJELIKO
F'iza loatra 'reto vehivavy be dia be manontany ahy ?
Iza no mety ho akaiky indrindra ? Ka tokana
sipa hanolotra fiainana hanintona ahy
dia hotolorako fanahy malefaka.
Izy 'ty vao tonga, 'ty mamonjy, manampy ahy
'lay very saina, malaindaina
toa manahirana ihany fa hoe
hanambady ahy, mba sahisahy
rahoviana angaha no mba ho avy 'lay tena andrasako
tsy avy aiza, tsy avy aiza fa tolotra avy amin'ilay Ray tsitoha
Firy aminareo no handray ity tanako ity
iza aminareo ary no hanaiky ilay fitia
ka hanadino ireo ditrako tety
hitady fahendrena hiaraka amiko,
anjeliko.
Izy 'ty vao tonga, 'ty mamonjy, manampy ahy
'lay very saina, malaindaina
toa manahirana ihany raha avy hatrany dia
samy olombelona, no hifamelona
rahoviana angaha no mba ho avy 'lay tena andrasako
'lay fotoana iray hanatrehako ilay mba ho anjarako
Firy aminareo no handray ity tanako ity
iza aminareo ary no hanaiky ilay fitia
ka hanadino ireo ditrako tety
hiaina am-pahendrena hiaraka amiko
anjeliko.
Olona ihany, fa manam-panahy
Antsoiko hatrany, dia manantona ahy
Hanampy ahy, handrindra ireo feo
Hanoro ahy, hamafa ny teo
Tempoly iray, mitoetra ao anaty
Fitia iray, tsy mety ho faty
Milaza mangiana, ny fifaliana
Mitory fitia, tsy hay ho valiana.
"Ianao 'lay voatokana ho ahy irery eto an-tany
Ianao 'lay anjely hitondra any ambony any."
pr toi N'amourrrrrr